Ny fahombiazan’ny fiarovana sy ny fitantanana ho lovainjafy ireo faritra arovana eto Madagasikara dia tsy afa-misaraka amin’ny fahatsaran’ny fari-piainan’ny mponina mipetraka manodidina ireny faritra arovana ireny ary ny fahatsapany fa mitondra vokatsoa eo amin’ny andavanandrom-piainany ny fiarovana ireo harena voajanahary ireo. Io lalan-tsaina io no entin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy miady amin’ireo karazana tsindry mamotika ireo faritra arovana eto amintsika.
Isan’izany ny tetikasa « Fitantanana Maharitra Holovain-jafy » (#FMH) natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany 29 novambra izay iarahan’ny #MEDD sy ny Governemanta Britanika amin’ny alalan’ny #UKaid. Tetikasa izay hisahana manokana ny fiarovana sy ny fitantanana lovainjafy ireo Faritra Arovana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fandrosoan’ny mponina eny ifotony sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Vondron’olona ifotony miisa 54 no voakasiky ny tetikasa ary hisandrahaka amin’ny Faritra arovana miisa 9 ka isan’izany Menabe Antimena, Bemanevika ary Mahimborondro.
Haharitra 6 taona ny tetikasa izay vatsian’ny Governemanta Britanika miadidiy ny Tontolo iainana amin’ny alalan’ny « Biodiverse Landscapes Fund », ka mitotaly 9 tapitrisa Livre izany. Mampiavaka ity tetikasa ity ny nanatanterahana fakan-kevitra mialoha teny ifotony.
DURRELL, RBG Kew, Madagasikara Voakajy, The Peregrine Fund, MBG, CARE ary NIRAS-LTS no mifandrimbona amin’ny MEDD amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity.