Notanterahina teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza androany 21 novambra ny andron’ny Parlemantera. Nisolotena an-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa tamin’izany ireo teknisianina avy eto anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy tamin’ny alalan’ny BNCCC-REDD+, nitondra fanazavana mahakasika ny fomba hiatrehana sy hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro eto Madagasikara .
Nampahafantarina sy niaraha-nidinika tamin’izy ireo tamin’izany ny drafitra sy ny paikady izay novolavolaina ao anatin’ny PNA na Plan National d’Adaptation sy ny CDN 2 na Contribution Déterminée Nationale izay ilana famatsiam-bola entina miatrika sy miady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Natao laharam-pahamehana izao fihaonana tamin’ireo solombavambahoaka izao noho izy ireo izay mahafantatra manokana ny tranga miseho eny ifotony amin’ny lafiny tontolo iainana hahafahana mametraka paikady mahomby hiatrehana izay fiovan’ny toetrandro izay.