FAMPIROBOROBOANA NY TOEKARENA MAINTSO SY MANGA : MANATANTERAKA ATRIKASA FAMPIOFANANA HO AN’IREO FIRENENA ETO AMIN’NY RANOMASIMBE INDIANA NY OIT

FAMPIROBOROBOANA NY TOEKARENA MAINTSO SY MANGA : MANATANTERAKA ATRIKASA  FAMPIOFANANA HO AN’IREO FIRENENA ETO AMIN’NY RANOMASIMBE INDIANA NY OIT

✅️Sehatra iray misedra ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro ny tontolon’ny asa manerana izao tontolo izao ary tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Vokatry ny rivodoza mahery vaika, ny fiakaran’ny hafanana sy ny haintany, ny tondra-drano dia maro ireo sehatr’asa potika ka miteraka tsy fisian’asa amin’ny firenena maro.

🟢Mba hiatrehana izany olana aterakiny fiovan’ny toetrandro amin’ny sehatry ny asa izany dia manatanteraka atrikasa fampiofanana ny Organisation Internationale du Travail sy ny Climate Action for Jobs, izay tanterahina eto Antananarivo ny 12-16 septambra, ahitana ny solontenan’ny Governemanta, ny solontenan’ny mpampiasa sy ny mpiasa ary ny mpikaroka avy amin’ny Nosy efatra eto anivon’ny ranomasimbe indiana : Madagasikara, Maurice, Seychelles, Comores ary ahitana solontena avy ao La Réunion sy Mayotte.

👉Tanjona amin’izao fampiofanana izao ny hahafahan’ireo mpandray anjara ireo mametraka politika famoronana asa manome manome vahana ny sehatr’asa maintso amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny toekarena maintso sy ny toekarena manga eo anivon’ny firenena misy azy ireo tsirairay.

✅️Laharam-pahamehana ho an’ny Governemanta Malagasy sy ny OIT hoy Ramatoa VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, sy Andriamatoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary Andriamatoa Coffi Dominique Agossou, Directeur Pays de l’OIT ho an’i Madagascar, Comores, Maurice ary Seychelles, ny fahafahana mandrafitra politika ho an’ny fiovan’ny toetrandro mahakasika ny asa ary isan’ny vahaolana amin’izany ny fampiroboroboana ny sehatr’asa maintso amin’ny alalan’ny fametrahana sy fanatanterahana ny politika nasionaly ny toekarena maintso sy ny toekarena manga.

Evenements

Thématiques
<