SARONA IREO ”PACHYPODIUMS” NA BAOBABS NAINS 20 GONY NALEFA TAKSIBOROSY AN-TSOKOSOKO

SARONA IREO ”PACHYPODIUMS” NA BAOBABS NAINS  20 GONY NALEFA TAKSIBOROSY AN-TSOKOSOKO

✅Mihamafy ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy amin’ireo mponina eny ifotony. Pachypodiums SP 20 gony tratran’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Polisim-pirenena tao Ihorombe ny zoma 28 jolay teo.

✅Olona tsara sitrapo monina ao Ilakaka izay nilaza fa nahita ny nampiakarana ireto zava-boahary arovana ireto teny ambony taksiborosy no nampandre ny solontenan’ny minisitera tany an-toerana ary ity farany indray taorian’izay no niantso ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena. Ora iray mahery kely Dia voasakana tao Ihosy ilay taksiborosy ka mpamily miisa roa no noentina natao fanadihadiana.
Fantatra fa tsy narahin’ny tompony ireto entana ireto fa nankininy tamin’ireto mpamily ireto.
✅Ny alatsinainy teo no nahatanteraka ny fanadihadiana ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena ka nanohy izany indray ny OPJ avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy omaly talata ka ny hariva’io ihany dia niatrika n’y fampanoavana izy ireo ary nampidirin’ny Fitsaràna am-ponja vonjimaika. Mitohy ihany anefa ny fikarohana ireo tompon’ny entana.

✅Ireo pachypodiums kosa dia nogiazana mandra-pamerenana izany any amin’ny Faritra voajanahary arovana hahafahany mitombo isa.

Evenements

Thématiques
<