ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FIAROVANA NY ROHIVOAHARY ALA HONKO : HAMAFISINA NY FITANTANANA HO LOVAINJAFY NY ALA HONKO

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FIAROVANA NY ROHIVOAHARY ALA HONKO : HAMAFISINA NY FITANTANANA HO LOVAINJAFY NY ALA HONKO

🟢Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 25 jolay ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko, notarihan-dRamatoa VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, Ramatoa Elia Béatrice Assoumacou, ary ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Andriamatoa Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo olomanan-kaja maro ao amin’ny Faritra DIANA.

✅️Zava-dehibe ny fanehoana firaisankina ho fiarovana ny rohivoahary ala honko hoy Ramatoa VINA Marie-Orléa satria tombotsoan’ny rehetra ny fisian’izy ireny ka tsy maintsy hanamafisana ny fitantanana azy ho lovainjafy.

✅️Hetsika fanentanana maro no nentina nanohy ny fanamarihana ity Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny rohivoahary ala honko ity androany ka isan’izany ny carnaval lehibe izay notanterahina teto an-tampon-tananan’i Nosy Be nanentanana ny mponina hiaro ny ala honko.

✅️Nisy ihany koa ny tranoheva nanehoana ireo vokatsoa maro azo avy amin’ny ala honko sy ny paikady isan-karazany entina miaro ny ala honko.

▶️Nofaranana tamin’ny fihaonambe hametrahana ny Paikady Nasionaly mahakasika ny ala honko ity andro faharoa natokana ho fiarovana ny rohivoahary ala honko ity.

👉Mitohy rahampitso 26 jolay ny fanamarihana ity Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko ity.

Evenements

Thématiques
<