Nanantanteraka fambolen-kazo ho fanarenana Ala nanahary tao amin’ny alan’ Antavolobe, tantanan’ny VOI Iaroka n’y Tetikasa ABS-MADA, ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fanbdrosoana Lovainjafy.

Ny Tetikasa moa dia mikendry ny hampandehanana feno ny fifanarahan’i Nagoya mikasika ny fitrandrahana sy fizarana tombotsoa azo avy amin’ny fampiasana ny harena fototarazo sy ny fahalalana nentim-paharazana. Anisan’ny fototarazo hananan’i Madagasikara betsaka ny zava-maniry hampiasaina amin’ny fitsaboana nentim-paharazana sy famokarana fanafody ampiasaina amin’ny fitsaboana moderina.

Izay no nahatonga ny Tetikasa hamboly karazan-janakazo toy izany, ho fameloma-maso Ala voajanahary sy ho fitsinjovana ny tsy hahalany tamingana ireo zava-maniry ireo. Niara-nientana tamin’ny fambolen-kazo natao ny mpiara-miasa rehetra amin’ny ABS-MADA : ny manampahefana ao amin’ny Kaominina Andasibe, ny Fokontany Ampangalatsary, ny VOI Iaroka, ny Ray aman-dreny ara-drazana, ny Solon-tena avy amin’ny Comité de Pilotagen’ny Tetikasa, ny MNP, ny Association Mitsinjo, CIREF Moramanga ny mpianatra, sns

Fambolen-kazo ho fanarenana Ala nanahary tao amin’ny alan’ Antavolobe