FIHAONANA TEO AMIN’i RAMATOA MINISTRY NY TONTOLO IAINANA SY NY FIKAMBANANA TANORA MALAGASY

FIHAONANA TEO AMIN’i RAMATOA MINISTRY NY TONTOLO IAINANA SY NY FIKAMBANANA TANORA MALAGASY

🌍🌱Nandray anjara tamin’ny Conference of Youth #COY18 sy ny #COP28 tanterahina ao Dubaï ny fikambanana tanora Malagasy mivondrona ao anatin’ny #Aika nitondra ny feon’izy ireo teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

🌳Nihaona sy nifampidinika tamin’dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa izy ireo nandritra ity COP28 ity nijerena miaraka ny paikady hampandraisana anjara bebe kokoa ny tanora amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.

 

 

🌱Fikambanana tanora miisa 35 ahitana tanora miisa 45 000 no mivondrona ao anatin’ny Aika ary ankoatra ny fandraisan’anjaran’izy ireo tamin’ny Local Conference of Youth dia maro ireo lohahevitra andraisan’izy ireo anjara niadiana hevitra, nizarana traikefa ary nametrahana ny anjara toerana tazonin’ny tanora amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro nandritra ity COP28 ity niarahana tamin’ireo tanora avy amin’ny firenena hafa.

Evenements

Thématiques
<