COP28

COP28

Nandray anjara fitenenana ny nandritra ny “segment de haut niveau” notanterahina androany 9 desambra tao amin’ny Plénière Al Hayrat, manoloana ireo Minisitry ny Tontolo iainana avy amin’ireo firenena miatrika izao COP28 izao ny Sekretera Jenerarin’ny MEDD Atoa MAMITIANA Andriamanjato, nisolotena an-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa.

🌱Nitondra ny fehin-kevitra tohanan’i Madagasikara mandritra izao COP28 izao ny tenany. Nisongadina tamin’izany ny filazana ireo ezaka vitan’i Madagasikara toa any nahavitana ny “Plan National d’Adaptation (PNA)”, ny fanavaozana ny CDN na « contribution déterminée Nationale », ny hanenana ny famokaran’i Madagasikara entona karbona ho 28% hatramin’ny taona 2030, ny fanamafisana ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro ary ny fiaraha-mientana amin’ny rehetra hitazonana ny fiakaran’ny maripana tsy hihoatra ny 1,5°C

🌳Nankasitraka manokana ny nandaniana tamin’ny andro voalohany ny fametrahana tahirim-bola ho an’ny “fanonerana sy ny fahavoazana” isika ary nanindry ny tokony hisitrahan’i Madagasikara izany famatsiam-bola izany.

     

Evenements

Thématiques
<