🌍COP28 : NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY PAVILLON MADAGASCAR

🌍COP28 : NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY PAVILLON MADAGASCAR

Sambany hatramin’ny nandraisantsika anjara tamin’ny fivoriambe mahakasika ny fiovan’ny toetrandro no nanana pavillon manokana ho azy i Madagasikara. Androany no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ity « Pavillon de Madagascar » ao amin’ny COP28 ity ary ao amin’ny Expo city Dubaï,« Blue Zone, Building 60 » no ahitana azy.

🌿Ramatoa VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy Atoa RAMONJAVELO Valéry, Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, no nitarika ny lanonana fanokafana ofisialy ny 1 desambra 2023 ary natrehan’ireo Parlemantera, ny mpiara-miombon’antoka ary ireo delegasiona Malagasy miatrika ny COP28 any Dubaï.
🤝Fiaraha-miasa teo amin’i Madagascar sy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana ao Madagasikara no nahafahana nisitraka ity “Pavillon de Madagasikara” ity, ary teo ihany koa ny fandraisan-anjaran’ireo mpiara-miombon’antoka maro tamin’ny fanontana ireo mari-pahatsiarovana ho zaraina ho an’ireo mpitsidika ny pavillon 😍🙏

🌿Betsaka ny tombony amin’izao fananatsika pavillon izao satria afaka manatanteraka fizarana traikefa maro, fifanakalozana eo amin’ny sehatra isan-karazany sy ny iraisam-pirenena mahakasika lohahevitra maro i Madagasikara izay ahafahana manamafy ny fifandresen-dahatra sy fanamafisana fiaraha-miasa hiatrehana sy hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro.

Evenements

Thématiques
<