🌿FIJERANA VAHAOLANA IRAISANA AMIN’NY HETAHETAN’IREO MPIKAMBANA SENDIKALY : 🌿MITOVY TADIN-DOKANGA NY MINISITERA SY NY SENDIKA

🌿FIJERANA VAHAOLANA IRAISANA AMIN’NY HETAHETAN’IREO MPIKAMBANA SENDIKALY :  🌿MITOVY TADIN-DOKANGA NY MINISITERA SY NY SENDIKA

🟢Noraisin’ dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa io maraina io ireo solontenan’ny sendika miisa telo, SCOFAFOR, sy SPME ary SYNAATEF, eto anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Fijerena vahaolana iraisana amin’ny hetahetan’ireo sendika no niarahan’ny roa tonta nidinika.

🟢Nanamafy moa ny Minisitra fa laharam-pahamehana ny hampandeha ara-dalàna ny asa eto anivon’ny Minisitera ka tsy maintsy hihainoana ireo mpiara-miasa rehetra. Tokony hisy ihany koa ny fitoniana eo anivon’ny Ministera mba hahafahan’ireo mpiasa hahatontosa an-tsakany sy an-davany ny andraikitra izay iantsorohan’izy ireo.

 

🟢Niarahana nijery tamin’izany ny vahaolana momba ireo teboka maro izay nasongadin’ny sendika.

🌿Ny Minisitra dia nanamafy hatrany fa ny tanjona ikambanana dia ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana eto Madagasikara izay ilana ny fiaraha-mientan’ny be sy ny maro. Nanamafy ihany koa izy ny fahavononany hiara-hiasa hatrany amin’ireo sendika telo tonta hanatratrarana izany tanjona izany.

🌿Ireo sendika moa dia naneho ny fahavononany ny hifanampy amin’dRamatoa Minisitra sy ny mpitondra eto amin’ny Ministera amin’izany.

Evenements

Thématiques
<