FIKAJIANA NY TONTOLO IAINANA 🌿MANEHO NY FANOHANANY TANTERAKA NY TETIKASA MIONJO

FIKAJIANA NY TONTOLO IAINANA 🌿MANEHO NY FANOHANANY TANTERAKA NY TETIKASA MIONJO

Nahazo tohana ara-pitaovana avy amin’ny tetikasa Mionjo ireo Fitaleavam-paritra miisa 3 voakasiky ny Tetikasa: DREDD Anosy, DREDD Atsimo Andrefana ary ny DREDD Androy.

🟢Moto miisa 8 sy GPS 11 notolotra tamin’ny fomba ofisialy azy ireo androany izay notarihan- dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, ny Goveroran’ny Faritra Atsimo Andrefana, Andriamatoa TOVONDRAINY Ranoelson Edally, ny Solombavambahoakan’i Toliara II ary ireo manam-pahefana ao Atsimo Andrefana . Ity tetikasa ity moa dia vatsian’ny Banky iraisam-pirenena.

🟢Tombotsoa maro no entin’ny Tetikasa MIONJO ho an’ny Faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana raha ny lafiny tontolo iainana manokana toy ny fambolen-kazo, fiarovana ny dongom-pasika tsy hiitatra, fametrahana aro-rivotra, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro. Laharam-pahamehan’ny tetikasa ihany koa ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony.

🟢Ampahany voalohany amin’ny fampitaovana ireto natolotra ireto fa mbola maro ireo tohana ho sitrahin’ny DREDD sy ireo VOI. Nisy ihany koa ny fitsidihana ireo asa sahanina miaraka amin’ny tetikasa ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Evenements

Thématiques
<