FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : NOHAMAFISINA NY FAHAIZA-MANAON’IREO OPJE ETO ANIVON’NY MEDD

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA :  NOHAMAFISINA NY FAHAIZA-MANAON’IREO OPJE ETO ANIVON’NY MEDD

Notanterahina tao Antsirabe tamin’ity herinandro ity ny atrikasa fampiofanana sy fanamafisana ny fahaizamanaon’ireo Polisin’ny Tontolo iainana #OPJE eto anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy miisa 60 avy amin’ireo DREDD/DIREDD manerana ny Nosy.

👉Fanamafisana ny traikefa amin’ny lafiny lalàna fototra amin’ny maha polisin’ny tontolo iainana, ny fampiharana ny lalàna, fampitoviana fomba fijery sy paikady amin’ny andraikitra sahanina no nifampizarana tamin’izany.

🙏Nizara traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manaon’ireo OPJE tamin’izany ny teo anivon’ny Fitsarana sy ny Zandarimariam-pirenena ao Vakinakaratra.

Evenements

Thématiques
<