TSIROANOMANDIDY : NOHAMAFISINA NY FIARONAVA NY TENDROMBOHITR’AMBOHIBY AMIN’NY DORO TANETY

TSIROANOMANDIDY : NOHAMAFISINA NY FIARONAVA NY TENDROMBOHITR’AMBOHIBY AMIN’NY DORO TANETY

➡️ Ho fiarovana ny tendrombohitr’Ambohiby – Distrikan’i Tsiroanomandidy amin’ny doro tanety dia nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Ambatolampy ny OMC na Organe mixte de conception ao Bongolava notarihan’ny Préfet n’ny Tsiroanomandidy niaraka tamin’ny DIREDD Itasy-Bongolava nanentana ireo Fokonolona, Tompon’Andraiki-panjakana ary ireo Komitin’ny Tontolo Iainana hiaro ity tendrombohitra ity amin’ny doro tanety.

🌱🚰 Ny loharano avy ao amon’ny tendrombohitr’Ambohiby no mamatsy rano fisotro ny Kaominina 11 ao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy antony tsy maintsy iarovana azy mba hisorohana ny faharitan’ity loharano ity.

➡️Nandrafitra bokin’andraikitra arak’izany ny kaominina tsirairay mahakasika ny ady amin’ny doro tanety, ny fanatanterahana fambolen-kazo eo amin’ity tendrombohitra ity hampaharitra ny fiarovana azy ary ny fitorohana ireo mpandoro tanety.

Evenements

Thématiques
<