🔥 Nitrangana doro tanety tao amin’ny toeram-pambolen-kazo ao Marohogo – Mahajanga omaly 19 septambra 2023. Afo fanahinina natao no nahatonga ny fahamaizana noho ny fibodoana tany tian’olom-bitsy hatao amin’ity toeram-pambolen-kazo ity.

🚒 Nifandrimbona amin’ny famonoana ny afo ny DIREDD Boeny-Betsiboka, ny pompier avy eo anivon’ny Faritra Boeny izay efa najanona manokana eny an-toerana, ny Miaramila, ny Zandarimariam-pirenena, ny fokonolona ary ireo orinasa nanatanteraka fambolen-kazo teny an-toerana.
➡️ Efa maty ny afo ary eo am-panombanana ny velarana may ny teknisianina ankehitriny.
👉👉 Miroso amin’ny fanadihadiana ny Minisitera ary tsy maintsy ho enjehina araky ny lalàna kosa ireo tompon’antoka🚨.
📣 Entanina hatrany isika rehetra hifanentana amin’ny ady amin’ny doro tanety mba tsy ho very maina ny ezaka izay niarahantsika rehetra hamerenana indray ireo alantsika simba.

👮‍♂️Atolory ny manam-pahefana ny mpandoro tanety sy ny mpandoro ala satria mamono ny Tanindrazana.

Evenements

Thématiques
<