Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny CEF Beloha sy ny CEF Ambovombe ao amin’ny DREDD Androy, ny TSA (Turtle Survival Alliance) ary ny fokonolona dia tra-tehaka tao Beloha Androy ny olona 2 mpitrandraka sokatra an-tsokosoko.

Miisa 201 ny sokatra tratra niaraka tamin’izy ireo ka ny 199 efa maty nesorina ny henany ary ny 2 mbola velona.

Ny asabotsy 9 septambra 2023 teo no nahatrarana ireto olona roa ireto ary hatolotra ny fitsarana izy ireo aorian’ny fanadihadiana.

Ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy dia manamafy hatrany fa voararan’ny lalàna ny fihazana, ny fivarotana, fihinanana ary ny fanondranana sokatra.