TETIKASA MADAGASIKARANTSIKA

TETIKASA MADAGASIKARANTSIKA

 

Tontosa anio ny fitokanana ny tetikasa Madagasikarantsika izay notronin’Atoa Filohampirenena mivady, ny lehiben’ny faritra vakinankaratra, ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, ny ben’ny tanànan’ny Mandoto. Ity valanjavaboahary ity izay mendrika saritanin’i Madagasikara ary mirefy 120 km raha ny 22 km amin’izay no Aro-Afo. Ahitana karazan-kazo miisa 45 ny valan-javaboahary (izay ahitana hazo zanatany, hazo haingam-paniry, hazo fihinam-boa) raha 204 870 kosa no fitambaran’ny hazo novolena tao anatin’ity valanjavaboahary ity nanomboka ny taona 2021. Marihina fa ity tetikasa “MADAGASIKARANTSIKA” dia tetikasa novatsian’ny Imperial Brunt vola raha ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy no niandraikitra ny lafiny ara-teknika. Mbola ihitatra moa ny tetikasa fa tsy hijanona ao Mandoto ihany.

Evenements

Thématiques
<