Fametrahana vato fototra fananganana birao fiasana vaovao eto anivon’ny MEDD

Fametrahana vato fototra fananganana birao fiasana vaovao eto anivon’ny MEDD

✅️Tontosa androany ny fametrahana vato fototra fananganana birao fiasana vaovao eto anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy izay nomena ny anarana « Maison de la diplomatie verte ».

➡️Birao vaovao hanome lanja bebe kokoa ny sehatry ny diplomasia maitso. Tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro, ny fampiroboroboana ny fandrosoana lovainjafy ary ny fiarovana ny tontolo iainana.
✅️Fiaraha-miasan’ny #MEDD amin’ny Vondrona Eoropeana #UE amin’ny alalan’ny Fandaharanasa #RINDRA no anatanterahana izao fotodrafitrasa izao. 150 andro no fe-potoana hamitana ny asa. Angovo maitso no hamatsy ity birao vaovao ity ary ao amin’ny Biraon’ny MEDD ao Ampandrianomby no anorenana azy.

✅️Ao anatin’izao fiaraha-miasa izao hatrany ankoatra ny fananganana ity « Maison de la diplomatie verte » ity dia nisy ihany koa ny fanavaozana ny birao fiasan’ny Organe de Coordination des actions stratégiques pour la Diplomatie Verte et des Organismes Rattachés (OC-DVOR).

Evenements

Thématiques
<