LALAON’NY NOSY : VONONA NY HIATRIKA NY FIFANINANANA SY HIARO NY VONINAHIM-PIRENENA IREO ATLETA

LALAON’NY NOSY : VONONA NY HIATRIKA NY FIFANINANANA SY HIARO NY VONINAHIM-PIRENENA IREO ATLETA

📣😍Feno fankasitrahana ny Minisitra coachs mianadahy ny federasionan’ny taranja Athlétisme paralympique nandritra ny fitsidihana ireo atleta tao amin’ny kianja Barea, toerana fanaovan’izy ireo fanazaran-tena.

➡️Nanolotra tohana ara-bola ho an’ireo atleta sy ny mpikarakara rehetra androany Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, sy Andriamatoa RAMONJAVELO Valéry Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro, izay miahy ny ekipam-pirenena Malagasy taranja Athlétisme paralympique, ho fanampiana azy ireo amin’ny fiomanana ny fiatrehana ny Lalaon’ny Nosy afaka andro vitsivitsy.
💪Vonona 100% isika hiatrika io lalao io na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa na ara-pitaovana. Efa tsindrindaona hiatrika ny fifaninanana ihany koa ireo atleta ary vonona ny hanome ny tsara any amin’izy ireo ho an’ny Tanindrazana.
🤝🙏Fotoana iray anamafisana ny firaisankina sy ny hambopom-pirenena ny Lalaon’ny Nosy. Andeha ary isika rehetra hanohana sy hanome fankaherezana ireo atletantsika ireo.

«𝘍𝘢𝘯𝘥𝘳𝘦𝘴𝘦n𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯-𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘴𝘢𝘮𝘪𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢. »

“𝙀𝙣𝙨𝙚𝙢𝙗𝙡𝙚 𝙥𝙤𝙪𝙧 𝙪𝙣𝙚 𝙫𝙞𝙘𝙩𝙤𝙞𝙧𝙚 𝙙𝙖𝙣𝙨 𝙡’𝙪𝙣𝙞𝙩é 𝙚𝙩 𝙡𝙖 𝙙𝙞𝙫𝙚𝙧𝙨𝙞𝙩é.”

Evenements

Thématiques
<