ADY AMIN’NY DORO TANETY : MANAMAFY NY FANENTANANA NY AO MELAKY

ADY AMIN’NY DORO TANETY : MANAMAFY NY FANENTANANA NY AO MELAKY

Kaominina maro manodidina ireo Faritra arovana ao amin’ny Faritra Melaky no nanatanterahan’ny DREDD Melaky fidinana ifotony sy nitondrana fanentanana mahakasika ny ady atao amin’ny doro tanety sy ny doro ala nanomboka ny volana jolay.

🌱Mitana anjara toerana lehibe ao anatin’izao hetsika fanentanana izao ny fandraisan’anjaran’ireo olobe to-teny sy olobe ara-drazana amin’ny fanentanana niarahana amin’ny Ben’ny Ala, ny Ben’ny Tanàna ary ny Zandarimariam-pirenena.

👉Natao ihany koa ny fanetsehana ireo lehiben’ny “Dina” mahakasika ny ady amin’ny afo eny anivon’ireo Distrika rehetra ao anatin’ny Faritra.

🌿Ankoatry ny fanentanana amin’ny ady amin’ny afo sy ny voka-dratsy aterany dia nampahafantarina ny rehetra ihany koa ny lalàna mahakasika ny afo sy ny sazy miandry ireo mpandoro tanety ary ny fandraisan’andraikitry ny rehetra raha sanatria misy tranga na afo.

Evenements

Thématiques
<