ADY AMIN’NY AFO : MIFARIMBONA AMIN’NY FANENTANANA ENY IFOTONY IREO SAMPAN-DRAHARAHA REHETRA ENY ANIVON’NY FARITR

ADY AMIN’NY AFO : MIFARIMBONA AMIN’NY FANENTANANA ENY IFOTONY IREO SAMPAN-DRAHARAHA REHETRA ENY ANIVON’NY FARITR

➡️Manamafy ny fanentanana eny ifotony ny Fitaleavam-paritra DIREDD Boeny-Betsiboka hisorohana sy hiadiana amin’ny doro tanety sy ny doro ala. Fampahafantarana sy fanentanana eny anivon’ny kaominina ambanivohitra ny voka-dratsy ateraky ny doro tanety sy ny doro ala ary ny lalàna mifehy izany no tanterahin’ireo Ben’ny ala amin’izany. Eo ihany koa ny fanentanana amin’ny fandraisana andraikitry ny rehetra raha sanatria ka misy trangana afo.

➡️Tao amin’ny kaominina Kandreho Distrikan’i Maevatanana no nanatanterahana izany ny 3 aogositra teo. Mifandrimbona amin’ny fanentanana ny Lehiben’ny Distrika, ny Zandarimariam-pirenena, ny Sampan-draharahan’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Sampan-draharahan’ny Fahasalamana ary Sampan-draharahan’ny fanabeazana.

✅️Kaominina maro ao amin’ny Faritra Boeny-Betsiboka no anatanterahana izao hetsika iadiana amin’ny afo izao.

Evenements

Thématiques
<