🌳Andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoahary ala honko

🌳Andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoahary ala honko

Ny Faritra Sofia dia iray amin’ireo faritra manana velarana ala honko lehibe indrindra eto Madagasikara. Helodrano miisa 3 no mandrafitra an’izany : Sahamalaza, Laloza, Narindra ary Mahajamba.

🌳Mifanome tanana akaiky ny Ministera amin’ny alalan’ny DREDD Sofia, ny Faritra Sofia, ny mpiara-miombon’antoka ary ireo Vondron’olona ifotony sy ny mponina eny ifotony amin’ny fikobabiana ireo ala honko ireo satria maro ny tombotsoa entiny na amin’ny lafiny ara-toekarena na eo amin’ny fiharian’ny mponina.

🌱🌿Ho fankasitrahana ireo VOI amin’ny asa fiarovana ny harena voajanahary izay tantaniny dia nanolotra mari-pankasitrahana ho azy ireo Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa. Nisitraka moto miisa 3 avy amin’ny tetikasa S2NPA eto anivon’ny MEDD ihany koa ny DREDD SOFIA, DREDD SAVA ary DREDD DIANA hanamafisana ny fanaraha-maso ny harena voajanahary. Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 20 avy amin’ny Tetikasa Convention de Nairobi ihany koa ny tanànan’i Bealoy ao amin’ny Fkt Ankiririky Nord ho fankasitrahana ny ezaka fiarovana ny ala honko vitan’izy ireo.

Evenements

Thématiques
<