Andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoahary ala honko

Andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoahary ala honko

Tao amin’ny Kaominina Maromandia Distrikan’Ananalava – Faritra Sofia no nanohizana ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko, ka zanaka honko miisa 80 000 no novolena tamin’ny velaran-tany mirefy 8ha

🌿Nanolotra fampitaovana lakana misy motera miisa 4, harato miampy gilet de sauvetage ho an’ireo Vondron’olona ifotony ao Maromandia ihany koa Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa notronin’ny Governoran’ny Faritra Sofia Lylison René de Rolland, ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ananalava, ny Ben’ny Tanàna ary ireo mpiara-miombon’antoka maro. Ireto fampitaovana ireto moa dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny MEDD sy ny Madagascar National Parks mpitantana ny faritra arovana an-dranomasina Sahamalaza ary ny KFW.

🌱🌿Hanamafisana ny fiarovana sy ny fitantanana lovainjafy ny ala honko ireto fampitaovana ireto ary koa ho fanatanterahana ny “Fandaharanasa pêche côtière durable » izay hitarika amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny mponina.

Evenements

Thématiques
<