VALANJAVABOAHARY ANKARAFANTSIKA : NOHAVAOZINA NY FITANTANANA IREO GPT MIISA 11 MANODIDINA NY VALANJAVABOAHARY

VALANJAVABOAHARY ANKARAFANTSIKA  : NOHAVAOZINA NY FITANTANANA IREO GPT MIISA 11 MANODIDINA NY VALANJAVABOAHARY

Manome lanja ny fiarovana ny valanjavaboaharin’Ankarafantsika amin’ireo karazana tsindry mahazo azy ny fandraisan’andraikitry ny mponina eny ifotony amin’izany asa fiarovana izany. Antony nametrahana ny “Gestion Participative du Territoire” na GPT, ampahan-tany manodidina ny valanjavaboaharin’Ankarafantsika tantanin’ny mponina eny ifotony.

 

➡️Miisa 11 ireo GPT ireo ary notanterahina ny 14-15 jolay teo ny fanavaozana ny fitantanana azy ireo niarahana tamin’ny DIREDD Boeny-Betsiboka, ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Marovoay, ny Madagascar National Parks, ny tetikasa PADAP, ny Ben’ny Tanànan’i Marosakoa ary ireo Chef Fokontany sy ny Fokonolona .

✅️Nanamafy ireo mpikambana amin’ireo GPT ireo fa hanamafy ny fampahafantarana ny fepetra voarakitra ao anatin’ny bokim-pitantanana ho fanatsarana ny fiarovana ny valanjavaboahary sy ny harena voajanahary ao aminy ho an’ny tombotsoan’ny taranaka mifandimby

Evenements

Thématiques
<