FANOMEZANA FITAOVANA IREO MPANAO FANATANJAHAN-TENA ETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

FANOMEZANA FITAOVANA IREO MPANAO FANATANJAHAN-TENA ETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

Nahazo tohana ara-pitaovana avy amin’ny Ministera ireo mpanao fanatanjahan-tena eto anivon’ny MEDD izay mivondrona ao anatin’ny AS MITIA. Taranjam-panatanjahan-tena miisa 6 no mivondrona ao anatin’ity fikambanana ity : 🏀basketball, ⚽️football, 🏐volley-ball, 💃danse sportive, 🥋karaté, pétanque ary samy nahazo ny anjara fitaonana mifanaraka aminy avy izy ireo.

🏐Laharam-pahamehana eto anivon’ny MEDD ny fikarakarana ny sosialin’ny mpiasa hoy Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa teo am-panolorana ireto fitaovana ireto. Namporisika ny mpiara-miasa rehetra ihany koa ny tenany hanao fanatanjahan-tena satria ilaina amin’ny fahasalaman’ny vatana izany.

Evenements

Thématiques
<