WWF MADAGASCAR : 60 TAONA NIAROVANA NY TONTOLO IAINANA TETO MADAGASIKARA

WWF MADAGASCAR : 60 TAONA NIAROVANA NY TONTOLO IAINANA TETO MADAGASIKARA

Nomarihana tamin’ny fomba ofisialy androany 7 jolay ny faha 60 taonan’ny niasan’ ny #WWF teto Madagasikara izay teo ambany fitarihan’dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy Ramatoa RATSIFANDRIHAMANANA Nanie, Talen’ny WWF eto Madagascar.

➡️Ny taona 1963 no nanomboka tetikasa fiarovana ny tontolo iainana voalohany teto ny WWF ary nitohy hatramin’izao taona 2023 izao izany. Miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD ny WWF Madagascar nandritra izay 60 taona izay ary sehatr’asa maro no voakasik’izany : fiarovana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina, fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala, ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary, fandrosoana lovainjafy ary ny fanabeazana sy ny serasera ara-tontolo iainana.

👉Nahitam-bokany lehibe eo amin’ny fiarovana sy ny fanarenana ny tontolo iainana ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ny WWF Madagascar ho Ramatoa Minisitra ary nampisongadina ny fisitrahan’ny mponina eny ifotony ny tombotsoa azo avy amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Maro ny sehatra naira-niasa akaiky taminy : Minisitera, Fikambanana Vondron’olona ifotony maherin’ny 200, Firaisamonim-pirenena 100, Fikambanam-behivavy sy tanora maro, mpikaroka, orinasa,…

✅️Miisa 4 ny toerana iasan’ny WWF : Paysage terrestre et marin Manambolo – Tsiribihina, Paysage marin de DIANA, Paysage terrestre et marin Mahafaly ary ny Paysage terrestre des Hautes terres du Nord.

Evenements

Thématiques
<