TOLIARA : KAMIAO NITONDRA HAZO TSY ARA-DALÀNA MIISA 45 TRA-TEHAKA TAO ANTSOKOBORY

TOLIARA : KAMIAO NITONDRA HAZO TSY ARA-DALÀNA MIISA 45 TRA-TEHAKA TAO ANTSOKOBORY

Tra-tehaky ny Kaomisarian’i Betania – Toliara tao Antsokobory ny kamiao iray nitondra hazo tsy ara-dalàna, tsy misy fahazoan-dalana, miisa 45 omaly 4 jolay 2023,izay nahitana karazan-kazo Sarikily 20 ary hazontsifaka 25 miampy saribao 28 gony. Nogiazan’ny DREDD Atsimo Andrefana ireto hazo ireto sy ny fiara ary natolotra ny Fampanoavana anio 5 jolay ireo olona 2 tratra.

👉👉Ilana fahazoan-dalana avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny fitrandrahana sy ny fitaterana ny vokatry ny ala ka entanina hatrany isika hanaraka izany.

➡️Ho fiarovana ny alantsika tsy ho ringana, ny MEDD sy ny Mpitandro ny filaminana dia miara-miasa akaiky ary tsy milefitra amin’ireo izay minia mandika ny lalàna mifehy ny ala.

Evenements

Thématiques
<