FIAROVANA NY HARENA VOAJANAHARY : AMPIDIRINA AO ANATIN’NY TARANJAM-PAMPIOFANANA HO AN’NY MPIANATRA HO MPITSARA EO ANIVON’NY ENMG NY LALÀNA MIFEHY NY HARENA VOAJANAHARY

FIAROVANA NY HARENA VOAJANAHARY : AMPIDIRINA AO ANATIN’NY TARANJAM-PAMPIOFANANA HO AN’NY MPIANATRA HO MPITSARA EO ANIVON’NY ENMG NY LALÀNA MIFEHY NY HARENA VOAJANAHARY

➡️Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra ho mpitsara amin’ny fiarovana ny harena voajanahary dia ampidirina ao anatin’ny taranjam-pampiofanana na “module de formation” eo anivon’ny École Nationale de la Magistrature et des Greffes #ENMG ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary sy ny karazanjavamananaina. Tanjona mba hampitombo ny traikefan’ireo mpianatra ho mpitsara ireo mahakasika ny lalàna mifehy ny sehatry ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary.

➡️Fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Ministeran’ny Fitsarana, BIANCO, SAMIFIN, USAID ary ny WWF no nanatanterahana izao fampiofanana izao ho fanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko.

Evenements

Thématiques
<