FIHAONANA TEO AMIN’NY MEDD SY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA

FIHAONANA TEO AMIN’NY MEDD SY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA

Tontosa androany 31 mey 2023 tao Tsimbazaza ny fihaonana teo amin’ireo Solombavambahoaka sy ny Ministerahn’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, notarihan-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa. Fotoana nanaovan-dRamatoa Minisitra tatitra ny zavabitan’ny MEDD nanomboka ny taona 2019 h@ volana Mey 2023 amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-10 : “Fitantanana maharitra ny harena voajanahary”.

🌿Lohahevitra miisa 7 no nisongadina tamin’izany :
➡️Fitantanana sy ny fandrakofana ala
➡️Paikady entina nisorohana ny tsy fahampiana’ny olona amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary;
➡️Ady amin’ny fiovan’ny toetrandro
➡️Fampiroboroboana ny fandrosoana lovainjafy
➡️Ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary
➡️Fampahafantarana – Fanabeazana – Serasera sy fifandraisana
➡️Toro hay ara-tontolo iainana
🌱Isan’ny nivoitra tamin’izany ny nametrahana “pépinières géantes” miisa 5 tamin’ny faritra miisa 5 ny taona 2022-2023 izay mamokatra zanakazo 1 tapitrisa isanisany avy ary ny 17 ambiny dia hapetraka mialohan’ny taom-pambolen-kazo manaraka. 98,58% ny tanjona napetraka 75 000ha no tratra ny taona 2022. Nanomboka tamin’ny taona 2019 hatramin’ny taona 2023 dia nahitana fitomboana 42% ihany koa ny velaran-tanin’ireo faritra arovana, izay mandrakotra ny 16% ny velaran-tanin’i Madagasikara ka nahatratra 9 922 565 ha izany, raha 7.000.000 ha mahery izy talohan’ny taona 2019. Nohamafisana ihany koa ny ady amin’ny afo narahina fampitaovana ireo chef cantonnement moto miisa 20, combinaisons anti-feux, fanamiana ho an’ny komity miady amin’ny afo

Evenements

Thématiques
<