FANARENANA NY TONTOLO MANODIDINA SY NY ALA : NATOMBOKA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TETIKASA TEFIALA

FANARENANA NY TONTOLO MANODIDINA SY NY  ALA : NATOMBOKA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TETIKASA TEFIALA

✅️Natomboka amin’ny fomba ofisialy androany 24 mey ny Tetikasa TEFIALA na Tetikasa fanatsarana mirindra ny Endritany sy Fanarenana Ifotony ny Atiala mba ho LovainjAfy hisahana manokana ny famerenana amin’ny laoniny sy fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Matsiatra Ambony izay toerana iasan’ny Tetikasa.

➡️5 taona no fepotoana hiasan’ity Tetikasa ity izay novolavolain’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary iarahana manatanteraka amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny FAO ary vatsian’ny Fond pour l’Environnement Mondial.
👉Tontolo manodidina sy ala mirefy 111 243Ha no voakasiky ny tetikasa ka ny 41 643Ha ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony izay ahitana tontolo manodidina miisa 2 : Paysage1: Volanony – Matsiatra, Paysage2: Ranomainty; ary 69 601Ha ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana Paysage3: Bas Mangoky. Tanjona ny hanarenana tany sy ala mirefy 2100Ha : ala ny 500Ha, ala honko 600Ha ary toeram-pambolena 1000Ha.

✅️Miisa 31 282 ny isan’ny mponina hisitraka tombotsoa mivantana avy amin’ny Tetikasa TEFIALA ka ahitana ny mponina eny ifotony sy ireo fikambanana tantsaha misehatra manokana amin’ny seha-pihariana maitso izay ny 50% amin’izy ireo dia vehivavy avokoa.

Evenements

Thématiques
<