SERANANDAVITRA – ILAKA EST : 99% NY TAHAM-PAHOMBIAZAN’NY FAMBOLEN-KAZO

SERANANDAVITRA – ILAKA EST : 99% NY TAHAM-PAHOMBIAZAN’NY FAMBOLEN-KAZO

🌿Nanatanteraka fanaraha-maso sy fikolokoloana ireo zanakazo novolena niaraka tamin’ny Filohan’ny Repoblika tao Seranandavitra, Kaominina Ilaka-Est Distrikan’i Vatomandry Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, ny Solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry, Andriamatoa Rauland, ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanana, ny DREDD Atsinanana ary ireo fokonolona ao an-toerana ny 6 mey 2023.

👉👉99% ny taham-pahombiazan’ireo zanakazo miisa 120 000 novolena tamin’ny velaran-tany 100Ha tao Seranandavitra ny 28 janoary 2023 teo. Nahomby ihany koa ny fambolen-kazo nampiasana ireo drone fambolen-kazo satria dia ny 90%n’ireo voa nafafy dia naniry avokoa.
🌱Vokatry ny fiaraha-mientana sy fandraisan’andraikitra teo amin’ny fokonolona, ny kaominina sy ny Distrika ary ny DREDD Atsinanana tamin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso ny fambolen-kazo no nahazoana izao vokatra izao izay nankasitrahan’dRamatoa Minisitra.
🌱🌱Zanakazo miisa 1000 no nososohana nandritra ny fanaraha-maso natao izay inoana fa ho vanona satria dia manoran-dava ao Seranandavitra. Nitondra fanentanana mahakasika ny ady amin’ny doro tanety ihany koa Ramatoa Minisitra mba tsy ho very maina ny ezaka nahazoana fahombiazana tahaka izao.

✅️Atokantsika hanatanterahana fanaraha-maso ireo fambolen-kazo ity volana mey ity ka anentanana hatrany antsika rehetra ny fanatanterahana izany.

Evenements

Thématiques
<