FIHAONANA STRATEJIKA SY ARA-TEKINIKA NY MEDD SY NY RAFITRY NY FIRENENA MIKAMBANA ETO MADAGASIKARA

FIHAONANA STRATEJIKA SY ARA-TEKINIKA NY MEDD SY NY RAFITRY NY FIRENENA MIKAMBANA ETO MADAGASIKARA

➡️Ny MEDD dia Minisitera fototra amin’ny fanatrarana ny ODD. Miara-miasa akaiky amin’ny Firenena Mikambana araka izany ny MEDD ary maro ireo fandaharan’asa sy tetikasa ara-tontolo iainana no iarahanan’ny Ministera amin’ny Rafitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara.

➡️Nanatanteraka fihaonana ara-tekinika ny 19 aprily 2023 ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy notarihan-dRamatoa VINA Marie-Orléa sy ny Rafitry ny Firenena Mikambana notarihan’Andriamatoa Issa Sanogo, Mpandrindra ny asan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, nametrahana paikady iraisana sy fandrindrana asa hahazoana vokatra tsara eo amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara.

✅️Ny fanatanterahana ireo soridalana fototra eto anivon’ny MEDD no niaraha-nidinika teto ka isan’ny nivoitra tamin’izany ny fametrahana fiaraha-masa mahakasika ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala, ny fanamafisana ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny COP28 mahakasika ny fiovan’ny toetrandro, ny fifindra-monina vokatry ny fiovan’ny toetrandro, ny fanatanterahana ny vina Madagasikara rakotr’ala ary ny fanatsarana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fahalotoan’ny rivotra.

Evenements

Thématiques
<