FANARENANA ALA ROFIA : ZANAKA ROFIA 5000 FOTOTRA NO VOAVOLY TAO AMPAHAZONY KAOMININA BELOBAKA

FANARENANA ALA ROFIA : ZANAKA ROFIA 5000 FOTOTRA NO VOAVOLY TAO AMPAHAZONY KAOMININA BELOBAKA

🌿Niara-nanatanteraka fambolena rofia tamin’ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ampahazony Kaominina Belobaka Distrikan’i Mahajanga II Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa mandritra ny fidinana ifotony izay tanterahiny ao Boeny. Velaran-tany 3,5Ha no novolena zanaka rofia miisa 5000 fototra ho fanarenana ny ala simba.

🌳Amin’ny toerana mando no maniry ny rofia ary isan’ireo vokatsoa ara-tontolo iainana azo avy aminy ny fisian’ny rano amin’ny toerana misy azy. Akora fototra fampiasa amin’ny asatanana maro mampiavaka an’i Madagasikara ihany koa ny rofia izay fihariana manatsara ny velontenan’ny mponina eny ifotony no sady mitondra tombotsoa ara-toekarena ho antsika. Ny 80% ny vokatra rofia eto Madagasikara dia avy ao amin’ny Faritra Boeny avokoa.
🌱Nandray anjara tamin’izao hetsika izao ny Governoran’ny Faritra Boeny, ny Tale Jeneraly Misahana ny Tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, manam-pahefana maro, ny Vondron’olona ifotony ary ireo mponina manodidina.

➡️Isan’ny tsindry mahazo ny ala rofia indrindra ny ao Mahajanga ny famadihana ny tany ho tanimbary ka nitondrana fanentanana nandritra izao fandalovan-dRamatoa Minisitra izao sy ireo manam-pahefana tany an-toerana ny fiarovana ny ala rofia.

Evenements

Thématiques
<