VAKINAKARATRA : FOKONOLONA MIISA 1000 NANARAMASO NY FAMBOLEN-KAZO NATAO TAO AMIN’NY VALANJAVABOAHARIN’AMPOTAKA

VAKINAKARATRA : FOKONOLONA MIISA 1000 NANARAMASO NY FAMBOLEN-KAZO NATAO TAO AMIN’NY VALANJAVABOAHARIN’AMPOTAKA

🌱Nanatanteraka fanarahamaso sy fikolokoloana ireo zanakazo novolena tao amin’ny valanjavaboaharin’Ampotaka niaraka tamin’ny fokonolona miisa 1000 avy amin’ny Fokontany 10 ao Mandoto ny DREDD Vakinakaratra notronin’ny lehiben’ny Distrikan’i mandoto.

🌿Asam-pokonolona maimaim-poana izao notanterahina izao. Vita nandritra ity hetsika ity ny ampahany amin’ny fanalana ny bozaka manarona ireo zanakazo ary mbola ho tohizana ny ampahany tsy mbola vita.

✅️Mirefy 120Ha ny valanjavaboaharin’Ampotaka izay fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Impérial Brands ao anatin’ny tetikasa “Madagasikarantsika”.

Evenements

Thématiques
<