ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ALA : NANAMARIHANA TAMIN’NY FAMBOLENA VOLOBE SY FANARAHA-MASO IREO ZANAKAZO NOVOLENA TAO MANANKAZO- ANKAZOBE

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ALA : NANAMARIHANA TAMIN’NY FAMBOLENA VOLOBE SY FANARAHA-MASO IREO ZANAKAZO NOVOLENA TAO MANANKAZO- ANKAZOBE

✅️Tao amin’ny Tobin’ala Manakazo ao amin’ny Distrikan’Ankazobe no nanatanterahana ny fankalazana ofisialy ny Andro iraisam-pirenena, Fambolena volobe manamorona ny renirano, fanaraha-maso sy fanosohana ireo zanakazo novolena teny an-toerana no nentina nanamarihana izany androany. 🌱Nitondra fanentanana ho an’ireo rehetra tonga teny ihany koa ny manam-pahefana tonga teny an-toerana ny tokony hiarovana ny ala amin’ny doro tanety satria dia miantoka ny tombotsoa maro ho an’ny rehetra ny fisian’io ala io.

🌳Nampiavaka ity fambolena ity ny fampiasana ireo kitapon-janankazo mora levona tsy manimba tontolo iainana, fiaraha-miasa amin’ny orinasa SMTP.

➡️Hetsika izay niarahana tamin’ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy notarihan’ny Sekretera Jeneraly mpisolo toerana sy ny Tale Jeneralin’ny Haitondra ara-Tontolo iainana, ny Lefitry ny Distrika sy ny Ben’ny Tanànan’Ankazobe, ireo Mpianala eto anivon’ny MEDD ary ireo mpiara-miombon’antoka.

Evenements

Thématiques
<