Famindrana andraikitra ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy

Famindrana andraikitra ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy

Voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 15 martsa 2023 lasa teo Andriamatoa MAMITIANA Andriamanjato. Izy no mandimby ny toeran’Andriamatoa ABRAHAM Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, Sekretera Jeneraly teo aloha.

Notontosaina teto amin’ny biraon’ny MEDD eto Antsahavola ny alakamisy 16 martsa ny famindran’andraikitra teo amin’izy mirahalahy ary tamim-pirahalahiana no nanatanterahana izany.

Nisaotra sy nankasitraka ny Sekretera Jeneraly teo aloha Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, ary nitso-drano sy nirarisoa ny Sekretera Jeneraly vaovao ihany koa ahavita be amin’ny adidy aman’andraikitra izay miandry azy amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-10.

Evenements

Thématiques
<