MANDRITSARA: NANENTANA AMIN’NY FANARAHA-MASO IREO HAZO NOVOLENA NY DREDD SOFIA

MANDRITSARA: NANENTANA AMIN’NY FANARAHA-MASO IREO HAZO NOVOLENA NY DREDD SOFIA

🌿Mahavelom-bolo tokoa ny mahita ireo tanora, orinasa, firaisamonimpirenena, sampan-draharaha isan’ambaratongany eo anivon’ny fanjakana… miray hina sy miara-mientana amin’ny fambolen-kazo ho fanatrarana ny tanjona Madagasikara rakotr’ala.

🌱Nifamotoana tao Bekirajy Be Kaominina Kalandy, Distrikan’i Mandritsara ny Tanora avy ao amin’ny Distrika nanatanteraka rodobe fambolen-kazo. Zanakazo 1150 no voavolin’izy ireo tamin’izany tamin’ny velaran-tany 4Ha. Nanentana ny rehetra eo anivon’ny faritra hanaramaso ny hazo novolena ny #DREDDSOFIA nandritra ity hetsika ity.

➡️Entanina hatrany ihany koa isika rehetra hanao laharam-pahamehana ny fanaraha-maso ireny fambolen-kazo nataontsika hiantohana ny fahombiazan’ny ezaka nimasohantsika.

Evenements

Thématiques
<