FIARAHA-MIASA : AMAFISINA NY ASA TANANA MIRINDRA AMIN’NY TONTOLO IAINANA

FIARAHA-MIASA : AMAFISINA NY ASA TANANA MIRINDRA AMIN’NY TONTOLO IAINANA

 

Tanteraka omaly tolakandro ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Minisitra VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD, sy RATSIRAKA Sophie, Minisitry ny Asatanana sy ny Haitao #MAM.

🌱Hamafisina hatreny ifotony ny fampivoarana ireo fitaovana manaja ny Tontolo Iainana amin’ny alalan’ny asa tanana. Ary hatao mipàka amin’ny fiainana andavanandro izany hoy hatrany ny #MEDD. Eo ihany koa ny fampirindràna ny fiaraha mpiasan’ny Minisitera roa tonta.

🌱Nomarihin’ny #MAM fa tsy maintsy homena vahana ny Fampiroboboroana ny vahaolana mirindra amin’ny Tontolo Iainana amin’ny alalan’ny asa tanana.

🌱Laharampahamehana ihany koa fandrindrana sy ny fanohanana ireo mpanao asa tanana manaja ny Tontolo Iainana.

🌱Tsy ambakan’izany ny fampanaraham-penitra ny asa famokarana sy fitrandrahana maharitra ilaina mirindra amin’ny Tontolo Iainana .

✅Nazava moa ny tenin’ny #MEDD fa tsy vitan’olondrery ny fiarovana ny Tontolo Iainana ary mifameno amin’ny sehatra rehetra. Nandritra ny fandraisany fitenenana ihany no nilazany fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehefa mifanaraka amin’ny Velirano fahafolo sy ny vina mikajy Tontolo Iainana mba haharitra ny Minisitera.

 

Evenements

Thématiques
<