HAINGAM-PIASA NY CELLULE DE CRISE OLONA VOATONDRO HO NANDORO AN’I MANATANTELY TAOLAGNARO VOASAMBOTRA,MISY NAMANY MBOLA KAROHINA

HAINGAM-PIASA NY CELLULE DE CRISE  OLONA VOATONDRO HO NANDORO AN’I MANATANTELY TAOLAGNARO VOASAMBOTRA,MISY NAMANY MBOLA KAROHINA

🟢”Tolérance zéro”. Izay no efa ambetitenin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa,manoloana ireo mpandoro Tanindrazana. Noho ny hafainganan’ny fampitam-baovao sy ny vokatra vetivety amin’ny fomba fiasan’ny Cellule de crise , ary ny rindran-damina izay tarihan’ny Governoram-paritra dia efa misy ny tratra amin’ireo mpandoro tanety.

🟢Ny alahady tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany antoandro teo izao dia nisy Doro ala tao Manatantely kaominina Soanierana any Taolagnaro. Nifanome tanana ireo herivelona rehetra tao an-toerana tamin’ny famonoana ny afo ka efa voafehy izany.

🟢Fantatra izao fa tratra ny iray tamin’ireo olona nandoro an’i Manatantely ary misy ireo namany mbola karohina. Miara-miasa akaiky amin’ny Fokonolona ihany koa ny Cellule de Crise sy ny Governoram-paritra.

Tsiahivina fa tao Manatantely no nanatanterahana ny fanokafana ny taom-pambolenkazo ny volana janoary 2019 izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Evenements

Thématiques
<