FAMPIROBOROBOANA NY SEHA-PIHARIANA VOLOBE HAHAZO TRANO FAMOKARANA FATANA FAMPIASA AMIN’NY ARINA VITA AMIN’NY VOLOBE I BRICKAVILLE

FAMPIROBOROBOANA NY SEHA-PIHARIANA VOLOBE  HAHAZO TRANO FAMOKARANA FATANA FAMPIASA AMIN’NY ARINA VITA AMIN’NY VOLOBE I BRICKAVILLE

🌿Mikajy ny Tontolo Iainana sy mitsimbina ny velontenan’ny mponina. Izay no tanjona napetrakin’ny Ministera hampahomby ny asa fikajiana sy fiarovana izay tanterahina.

🟢Nandritra ny fitsidihana ifotony notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny MEDD, Atoa RAJAFETRA Abraham, izay namita iraka tany Brickaville ny faran’ny herinandro teo, dia tafapetraka tany an-toerana ny sabotsy 27 aogositra ny vatofotry ny trano fikarohana sy famokarana arina fandrehitra vita amin’ny volobe na bambou izay tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha10 ny Filoham-pirenena : « Fitantanana maharitra ny harena voajanahary ».

🟢Mpahay taozavatra miisa 50 no hahazo asa ary tokantrano miisa 3000 tafo no hisitraka ireo fatana mitsitsy ho vokarina avy amin’ny alalan’ity tetikasa ity. Izany dia mba hanenana sy hialana amin’ny fampiasana ireo hazo zanantany ary ihany koa mba hampiroboroboana ny seham-pihariana volobe.

🌿Niara-namboly zanaka volobe na bambou miisa 800 sy nanara-maso ireo zanakazo voavoly tao amin’ny Kaominina Anivorana-Est, Distrikan’i Brickaville ny rehetra nandritra ity fotoana ity izay niarahana tamin’ny mponina teo an-toerana notarihan’ny Ben’ny Tanana.

🙏Ny tetikasa PIA na Programme Intégrées Atsinanana dia tetikasa eto anivon’ny MEDD tanterahina eo anivon’ny #DREDDAtsinanana ho fikajiana ny tontolo iainana ho lovainjafy.

Evenements

Thématiques
<