RANOHIRA – IHOROMBE : ARO AFO MIREFY 250KM NO EFA TAFAPETRAKA

RANOHIRA – IHOROMBE : ARO AFO MIREFY 250KM NO EFA TAFAPETRAKA

▶️Faritra manana harena voajanahary miavaka ny Faritra Ihorombe ary manana ny lazany manerana izao tontolo.

🟢Ho fiarovana ireo harena voajanahary sy ny fambolen-kazo ao anatin’ny Faritra dia niara nametraka aro afo mirefy 2km niaraka tamin’ireo mponina ao Ranomavo – Kaominina Ranohira Ramatoa VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Ihorombe, Ramatoa NOMENJANAHARY André Tafita Sareine, sy Manampahefana sy fikambanana maro ary ireo mpiara-miombon’antoka avy eo anivon’ny Faritra.

🌳Fanohizana ireo ezaka efa vita teo anivon’ny Faritra ity fametrahana aro afo notanterahina ity satria dia mirefy 250km ny aro afo efa vita ao an-toerana ary tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny valanjavaboahary Isalo ao Ranohira.

👉Manentana antsika rehetra hatrany hifanome tanana amin’ny ady amin’ny doro tanety.

Evenements

Thématiques
<