FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FOTODRAFITRASA MIKAJY NY TONTOLO IAINANA IREO MINISITERA NAMANA

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FOTODRAFITRASA MIKAJY NY TONTOLO IAINANA IREO MINISITERA NAMANA

Tanteraka teny amin’ny amin’ny Rocade Iarivo ny zoma 5 aogositra teo ny andro natokan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ho an’ny Fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny Fotodrafitrasa, izay teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Sampandraharahan’ny Fananantany.

Niavaka ity fotoana ity noho ny fisian’ny fifaninana ”Fokontany Maitso ” na “Fokontany Vert”, ankoatra ny fanentanana maro samihafa momba ny fikajiana ny Tontolo iainana.

Nanamarika ity andro fanamarihana ity ihany koa ny fikolokoloina sy fanosohana ireo zanakazo natsatoka anefa tsy nahomby nanamorona ny lalambaovao Rocade Iarivo.

Notolorana zanakazo sy fitaovana fanadiovana ihany koa ireo Fokontany 12 isa manamorona ity Fotodrafitrasa iombonona ity.

Ankoatra izany dia nafanain’ireo karazana fifaninana sy fanentanana maro ny fotoana ary nisy mihitsy ny fanolorana mari-pahankasitrahana ho fandrisihana ireo mponina manodidina ny Rocade Iarivo.

Mankasitraka feno ny fanentanana sy fitarihana ny mponina hikajy ny Tontolo Iainana tahaka izao ny Minisitera tarihin-dRamatoa VINA Marie-Orléa satria ny fifanomezan-tanana no zava-dehibe.

Evenements

Thématiques
<