ADY AMIN’NY AFO AO AMIN’NY FARITRA ATSIMO ANDREFANA : NOHAMAFISINA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY DREDD SY NY OMC HIFEHEZANA NY DORO TANETY

ADY AMIN’NY AFO AO AMIN’NY FARITRA ATSIMO ANDREFANA :  NOHAMAFISINA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY DREDD SY NY OMC HIFEHEZANA NY DORO TANETY

✅️Miara-mientana amin’ny DREDD Atsimo Andrefana ireo tompon’andraiki-panjakana maro sy ny mpiaramiombon’antoka ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana amin’ny ady amin’ny doro tanety.

🔥Taorian’ny fanairana nataon’ny DREDD Atsimo Andrefana mahakasika ny firongatry ny afo dia nanao be midina teny anivon’ireo Kaominina ao amin’ny Distrikan’i Morombe sy Toliara II izay matetika ahitana firehetana ny Organe Mixte de Conception na OMC Atsimo Andrefana izay notarihan’ny teo anivon’ny Prefektioran’i Toliara, ny avy ao amin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny DREDD, ny DRAE, ny Mpitandro ny Filaminana nahitana solontenan’ny Miaramila, ny Zandarimariam-Pirenena ary ny Polisim-pirenena, ny ONG SAGE.

📣Nitondra fanentanana tamin’ireo fokonolona eny ifotony mahakasika ny ady amin’ny doro tanety ireto solontenam-panjakana ireto, nanazava ny torolalana sy ny torohay hialana amin’ny fanaovana doro tanety sy doro ala ary nampahafantatra azy ireo fa tsy hilefitra amin’ny fampiharana ny sazy amin’izay minia mbola manao izany.

🔴Entanina hatrany isika hampandre ny laharana 034 05 621 43, eto anivon’ny #MEDD, raha mahita doro tanety na doro ala hahafahana mandray fepetra haingana amin’ny fifehezana ny afo.

Evenements

Thématiques
<