RSE : NAMPAHAFANTARINA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY “ARRETE REGIONAL” MAMETRAKA NY KOMITY RSE EO ANIVON’NY FARITRA VAKINAKARATRA

RSE : NAMPAHAFANTARINA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY “ARRETE REGIONAL” MAMETRAKA NY KOMITY RSE EO ANIVON’NY FARITRA VAKINAKARATRA

▶️Niroso tamin’ny fampahafantarana ofisialy ny Arrêté Régional mametraka ny Komity RSE ny Faritra Vakinakaratra ny 30 jona 2022.

Laharam-pahamehan’ny MEDD ny fampiroboroboana ny RSE na Responsabilité Sociétale des Entreprises ary tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny Paikady Nasionaly mahakasika ny RSE ao amin’ny Faritra Vakinakaratra izao hetsika izao izay niarahan’ny MEDD, ny Faritra Vakinakaratra, ny DREDD Vakinakaratra ary ireo orinasa misehatra ao Vakinakaratra novolavolaina.

👉Ny Faritra Vakinakaratra no Faritra voalohany nametraka ny Arrêté Régional RSE eto Madagasikara ho fampandraisan’andraikitra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ny orinasa.

✅️Natolotra nandritra ity fotoana ity ihany koa drafitr’asam-paritra RSE ho tanterahin’ireo orinasa ireo an-tsitrapo. Isan’ny misongadina amin’izany ny fanamafisana ny fambolen-kazo, ny fametrahana ivon-toerana fanodina fako ary ny fampiroboroboana ny angovo maitso.

Isan’ny hisitraka ny tombotsoa mivantana ao anatin’ity drafitr’asa RSE ity ireo mponina eny ifotony.

▶️Nandray anjara tao anatin’ity atrikasa ity ny Governoran’ny Faritra, ny Prefet, ny DREDD Vakinakaratra, ireo Ben’ny Tanàna eo anivon’ny Faritra, ireo Orinasa eo anivon’ny Faritra ary ny MBG Ibity izay nanohana ny fametrahana ny RSE isam-paritra sy ny fanatanterahana izao hetsika izao.

Evenements

Thématiques
<