FANABEAZANA ARA-TONTOLO IAINANA AN-TSEKOLY : FAMPANDRAISANA ANDRAIKITRA NY MPIANATRA SY NY RAY AMAN-DRENY AMIN’NY FIKAJIANA NY TONTOLO IAINANA

FANABEAZANA ARA-TONTOLO IAINANA AN-TSEKOLY : FAMPANDRAISANA ANDRAIKITRA NY MPIANATRA SY NY RAY AMAN-DRENY AMIN’NY FIKAJIANA NY TONTOLO IAINANA

▶️ Asa lavitr’ezaka iarahan’ny MEDD mifandrimbona amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fanamafisana ny fanabeazana ara-tontolo iainana manerana ireo sekoly eto Madagasikara.

🟢 Tanjona amin’izany ny hamporisihina ny fandraisana andraikitra sy ny fananana toetra miaro sy mikajy ny tontolo iainana manomboka eny an-tsekoly ka hipaka eo amin’ny isan-tokantrano sy eo anivon’ny fiaraha-monina.

👉👉Ny isam-batan’olona no mila mahatsapa fa tompon’antoka voalohany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

✅ Mpianatra miisa 650 avy ao amin’ny EPP sy LYCEE Fenoarivo Be sy ny sekoly Advantiste Fenoarivo Be no nisitraka fanentanana sy fampianarana ara-tontolo iainana izay notanterahin’ny DIREDD ITASY-BONGOLAVA ny 27 sy 28 aprily 2022 teo. Ny fampivelarana ny maha-olona, ny maha zava-dehibe ny fambolen-kazo sy ny fanaraha-maso ireo hazo novolena ary ny ady amin’ny doro tanety no nanentanana ireto mpianatra ireto.

▶️ Tafiditra indrindra ao anatin’ny paikadin’ny MEDD amin’ny fampiharana ny fanabeazana ara-tontolo iainana isan-tsekoly no sady fampandraisana andraikitra ny mpianatra sy ny Ray aman-dreny amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izao asa izao.

Evenements

Thématiques
<