FANABEAZANA ARA-TONTOLO IAINANA : NANATANTERAKA FAMBOLEN-KAZO TAO AMIN’NY FARITRA AROVANA MANOMBO NY MPIANATRA AO AMIN’NY EPP MAROMPANAHY-FARAFANGANA HO FANATANTERAHINA NY VINA “MPIANATRA IRAY, HAZO IRAY”

FANABEAZANA ARA-TONTOLO IAINANA : NANATANTERAKA FAMBOLEN-KAZO TAO AMIN’NY FARITRA AROVANA MANOMBO NY MPIANATRA AO AMIN’NY EPP  MAROMPANAHY-FARAFANGANA HO FANATANTERAHINA NY VINA “MPIANATRA IRAY, HAZO IRAY”

🟢 Paikady vaovao mampandray andraikitra ireo mpianatra ary mifantoka amin’ny fanabeazana ny maha-olona no voizin’ny Ministeran’ny Tontolo sy ny Fandrosoana Lovainjafy iarahana amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena mba hanamafisana ny fiaraha-mientana ho fiarovana ny tontolo iainana.

🌳🌳 Mihena ny velaran’ala misy eto Madagasikara noho ny fanimbana ataontsika olombelona ary miha-ratsy ny kalitaon’ny rivotra iainantsika. Foto-pisainana sy fomba fiaina ilaina hamafisina ny fanomezan-danja ny fifandraisan’ny olombelona amin’ny Natiora.

🇲🇬Ho fanohizana ny drafitrasa “Mpianatra iray, hazo iray” dia nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny Faritra arovana Manombo ny mpianatra avy ao amin’ny EPP Marompanahy, ZAP Manambotry Atsimo CISCO Farafangana, izay tsy lavitra ny Faritra arovana🇲🇬.

▶️ Tanjona ny hitaizana ireo mpianatra mba hitia sy hikolokolo ny tontolo iainana ary hanana fahazarana sy fomba fiaina tompon’andraikitra sy mikajy ny tontolo iainana.

✅ Ankoatry ny fambolena hazo zanatany miisa 300 dia naseho azy ireo ny hakanton’ny zavaboahary ao anatin’ity Faritra arovana ity sy ny maha zava-dehibe ny fiarovana azy.

🤝 Niara-niasa sy nanohana ny DREDD Atsimo Atsinanana tamin’izany ny Madagascar National Parks, mpitantana ny Faritra arovana Manombo sy ny tetikasa COKETES. Mbola hitohy eny anivon’ireo sekoly rehetra manodidina ny faritra arovana Manombo ny hetsika izay atao.

Evenements

Thématiques
<