VALANJAVABOAHARY ANKARANA : NAIDITRA AM-PONJA IREO OLONA MIISA DIMY TRATRA NITRANDRAKA VATOSOA TAO ANATY ATIALA

VALANJAVABOAHARY ANKARANA : NAIDITRA AM-PONJA IREO OLONA MIISA DIMY TRATRA NITRANDRAKA VATOSOA TAO ANATY ATIALA

🟢 Nandritra ny fisafoan’ala niarahan’ny DREDD DIANA, ny MNP, ny Zandarimariam-Pirenena ary ny Tafika Malagasy avy ao amin’ny BAMI tao amin’ny valanjavaboahary Ankarana dia voasambotra ny olona miisa dimy nitrandraka vatosoa “safira” an-tsokosoko tao anaty atiala sy olona iray hafa nitatitra hazo avy ao anatin’ny faritra arovana.

▶️ Natolotra ny fitsarana ireto olona enina nosamborina ireto ary nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa noho ny asa fitrandrahana tsy ara-dalana izay nataony.

🌳🌳Misitraka tombotsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy avy amin’ity valanjavaboahary ity ireo mponina manodidina noho ny fisianan’ny mpizahatany maro mitsidika azy.

Sarotiny amin’ny fiarovana ity faritra arovana ity arak’izany ireo mponina manodidina ka mifanome tanana amin’ny Ministera izy ireo amin’ny fiarovana azy.

Evenements

Thématiques
<