FARITRA AROVANA AGNALAZA : NANOLOTRA FANAMPIANA HO AN’IREO MPONINA NY DREDD ATSIMO ATSINANANA SY NY MBG

FARITRA AROVANA AGNALAZA : NANOLOTRA FANAMPIANA HO AN’IREO MPONINA NY DREDD ATSIMO ATSINANANA SY NY MBG

Isan’ny nizaka ny takaitra navelan’ny fandalovan’ny rivodoza in-droa misesy farany teo ny mponina mipetraka manodidina ny Faritra arovana Agnalaza ao amin’ny Kaominina Mahabo Distrikan’i Farafangana. Ireto mponina ireto dia mifanampy amin’ny mpitantana ny faritra arovana amin’ny fiarovana ny alan’i Agnalaza.

Mba ho fanampiana azy ireo amin’ny fahavoazana izay nianjady taminy dia nanolotra vary 60 kitapo ho azy ireo ny DREDD Atsimo Atsinanana sy ny Missouri Botanical Garden (MBG) mpitantana ny faritra arovana ka mponina miisa 993 no nisitraka ity fanampiana ity tany an-toerana.

Evenements

Thématiques
<