ATRIKASA FANKATOAVANA NY FITAOVAM-PITANTANANA SY FANARAHA-MASO IREO FANOMEZAN-DALANA HITATITRA HAZO TSOTRA SY NY HABA AZO AVY AMINY

ATRIKASA FANKATOAVANA NY FITAOVAM-PITANTANANA SY FANARAHA-MASO IREO FANOMEZAN-DALANA HITATITRA HAZO TSOTRA SY NY HABA AZO AVY AMINY

Notanterahana androany 23 Martsa 2022 ny Atrikasa fankatoavana ny fitaovam-pitantanana manaraka ny fenitra teknolojika QR-CODE sy fanaraha-maso ireo fanomezan-dalana hitatitra hazo tsotra sy ny haba azo avy aminy.

“Ny fampitomboana ny haba azo avy amin’ny seha-piharian’ny ala amin’ny toekarem-pirenena amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny vokatry ny ala ary ny fametrahana drafitra famatsiam-bola maharitra ho an’ny fiarovana sy fitantanana ny vokatry ny ala » dia anisan’ny sori-dàlana lehibe ny politika fitantanana ny ala ankehitriny. Anisan’ny dingana tsy maintsy lalovana mba ahatongavana amin’izany ny fametrahana drafitra famoriam-bola avy amin’ny ala izay atao amin’ny fomba mazava sy mandrisika ny rehetra. Tafiditra amin’izany ny fametrahana drafitra matanjaka anarahamaso ny fomba fanangonana ny vola miditra avy amin’ny ala mba hanatsarana ny tahan’ny tamberim-bidy avy amin’ny vokatry ny ala.

Noho izany dia namorona rindram-baiko mba izohiana ny vokatry ny ala entina amoahana ireo tahirin-kazo tsotra neken’ny Governemanta tamin’ny Oktobra 2020 ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, amin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny Serasera sy ny Fifandraisana ary ny rafi-pandrindrana ny Toro na ny « Direction de la Communication et Système d’Information (DCSI) ». Nanomboka ny taona 2021 no niketrehana azy ity ary ny teknolojia QR-CODE no nampiasaina tamin’izany ary hanamora ny fanarahamaso ny tahirin-kazo any amin’ny mpitrandraka sy ireo haba avy amin’ny vokatry ny ala aloan’izy ireo,

Noho izany, ny Sampan-draharaha miandraikitra ny Faritra arovana, ny Harena voajanahary azo avaozina ary ny Haivoary, notohanan’ny PAGE2/GIZ, dia nanomboka tetikasa fanamafisam-pahaizana momban’ny fomba fitantanana ny harena voajanahary amin’ny alalan’ilay rindram-baiko QR-CODE, ho an’ireo mpiara-miasa ao anatin’ny ministera any amin’ny faritra. Efa maro ireo dingana efa vita nanomboka tamin’io taona 2021 io. Ka amin’izao fotoana izao dia ao anatin’ny fankatoavana ny fanatsarana natao tamin’ilay rindram-baiko tao aorian’ireo fidinana ifotony tany amin’ny faritra isika. Ny tanjona amin’ity atrikasa ity izany dia ny ampahafantarana ny rindram-baiko miaraka amin’ny torolalana momban’ny fampiasana azy ; fa eo ihany koa ny fanangonana ireo fanamarihana sy ireo fanatsarana avy amin’ny mpiatrika ; ary ny fankatoavana ny rindram-baiko eo amin’ny sehatra nasionaly.

Evenements

Thématiques
<