
๐๐บ 23 ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ 31 ๐๐ฐ๐ญ๐ข๐บ 2025 no notanterahina tany
#Zimbabwe ny fihaonambe faha 15 (
#COP15) an’ireo firenena mikambana ao amin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny faritra mando, anisanโireo firenena nandray anjara taminโizany i Madagasikara.

Nanomboka ny taona 1999 nonmpikambana feno tao anatin’ny Fifanarahana
#RAMSAR i Madagasikara. Miisa 21 ny faritra mando voasokajy ho Faritra Ramsar eto amintsika, izay mitahiry karazanjavamananaina maro isan-karazany.

Nivoitra nandritra ity COP15 ity fa antoky ny aina ny faritra mando. Ilaina hamafisina arakโizany ny fiarovana sy ny fanarenana azy. Hampifandraisina amin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena hafa toy ny karazanjavamananaina, ny fiovan’ny toetrandro ary ny fihangazanana ny mahakasika ny faritra mando ho fanomezan-danja bebe kokoa azy.
Nanome Toky ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka fa hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Fifanarahana RAMSAR aminโny fitantanana maharitra ny faritra mando.