🌿Namory ny KMDT (Komity Miady amin’ny Doro Tanety) sy ireo sefo fokontany avy amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitromby sy Mahavelona, distrikan’Ankazobe ny teo anivon’ny #DREDDAnalamanga ny 3 sy 4 septambra 2025.
Noresahina nandritra izany ny Plateformes Bois Énergie (#PBE), izay heverina ho vahaolana amin’ny fahapotehan’ny ala sy rafitra hanamora ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena azo avy amin’ny ala. Amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra mazava sy maharitra, dia mampihena ny tsindry amin’ny ala sy manampy amin’ny fitantanana tompon’andraikitra ny PBE.
🌳Nohamafisina ihany koa nandritra io fihaonana io ny ady amin’ny doro tanety. Naverina nampahatsiahivina ny Dinan’i Vonizongo, izay mametraka fitsipika hentitra sy sazy mazava manoloana ny fampiasana afo tsy ara-dalàna. Naseho fa mifameno ny fananganana ireo PBE sy ny ady amin’ny afo, satria samy manampy amin’ny fiarovana ny ala sy ny fiantohana ny fiveloman’ny mponina eny ifotony.
❌️🔥Fahavalo iombonana ny afo, ka andraikitry ny rehetra ny mitandrina sy mandray andraikitra hisorohana ny fihanaky ny doro tanety.
Date de publication : 8 septembre 2025

Suivre d'autres actualités